❤️ Mianatra mamaky teny ve ry Piso kely? Kilalao MAIMAIMPOANA ho azy ireto.
Rehefa voafehin’ny ankizy tsara ny feon’ny litera iray. Izany hoe sady fantany ilay litera no hainy ny feony ( feo fa tsy anarany an) dia afaka manomboka milalao an’ito kilalao ito izy.
Eto ry piso kely mianatra mihaino ny feo henony voalohany ao anatin’ny teny iray.
Fitarihana miadana hamaky teny moa ny tanjona eto.
Mazava ho azy kilalao misarika azy hifantoka ihany koa.
Ny filalao azy?
Maka karatra iray, i neny na i dada no mamaky, i piso kely kosa maka pince (ilay fanahazana lamba ireny) ary mifidy ilay litera voalohany henony. Rehefa zatra moa izy dia na tsy eo instony ary i dada sy neny dia efa mety.
Karatra afaka hisafidianana tsara ny teny Malagasy sy Alemana. Hampazoto sy hanamora ny fianarana teny Malagasy.
